Ok

En poursuivant votre navigation sur ce site, vous acceptez l'utilisation de cookies. Ces derniers assurent le bon fonctionnement de nos services. En savoir plus.

  • Nous avons besoin de vous!

    Actuellement les finances du Centre Ankanifitahiana ne reposent que sur la générosité de ses donateurs et c'est grace à vous si le Centre ne ferme pas ses portes.
    Nous travaillons sur plusieurs projets (cf rubrique "projets") pour que le Centre puisse à terme s'autofinancer et ne plus dépendre des dons.
    Nous aimerions sortir de cette logique "SURVIVRE" pour pouvoir "GRANDIR".
    Si vous voulez nous faire un don, vous pouvez nous faire un virement bancaire sur notre compte, voici nos coordonnées bancaires : 
    •  Compte bancaire :
    BOA MADAGASCAR: au nom du CENTRE AKANIFITAHIANA
    N:18888460004
    •  RIB :
    Code banque : 00009
    Code guichet : 05605
    Numéro de compte : 18888460004

    Clé RIB : 59

     

    Vous pouvez payer votre don  en ligne:

     

    Compte en France: 

    Au nom de herivelona Alix (Fondateur du centre)

    IBAN: FR76 30004 01309 00000568315 37 BIC: BNPA FR PP MAS
    Code Banque: 30004 
    Code Angence : 01309
    Numéro de compte: 00000568315
    Clé RIB: 37 
    Domiciliation :BURES SUR YVETTE (01309)

     Merci pour votre générosité !

    Remarque : vous pouvez préciser dans quel budget vous voulez-vous que nous utilisons votre don (frais de fonctionnement, salaire des professeurs, nourriture des enfants, fourniture scolaires, mobilier, projet spécifique -cf rubrique "Projets"...). Nous vous adresserons ensuite un reçu et nous vous informerons de l'utilisation de votre don car pour nous la transparence est une valeur essentielle.

     

     

  • Tantaran'ny Ankanifitahiana

     

    « Centre Ankanifitahiana »

    Indro fanotaniana vitsivitsy miaraka amin’ny valiny no atolotray anao fampafatarana ny centre Ankanifitahiana

    Iza moa izahay ?

                    Ny centre Ankanifitahiana dia centre iray mikarakara sy manabe ary mampiantra ireo zaza Kamboty sy zaza sahirana ary ireo zaza mpirenireny, Ankehitriny dia misy amin'ireo ray amandreny efa manomboka mba mandray anjara amin'ny sara-pianran'ireo zanany, marina fa Symbolique ilay izy kanefa dia hita taratra fa tehandroso izy ireo ary te hivoatra ka hiady amin'ny fahatrana amin'ny alalan'ny fampianarana ireo zanany. Niorina tamin’ny taona 2004 ny centre Ankanifitahiana, tamin'ny taona 2006 kosa izy no voasokajy fikambanana sosialy teto Madagascar ka  nahazo ny recepece ny Novambra 2006. Tovolahy iray antsoina hoe Herivelona Alix no nanangana ny ankanifitahiana, nanainga ny centre tamin'ny olona telo mianadahy izy tamin'izany izay nanabe sy nitaiza ankizy teo amin'ny 17 ka nitombo tsikelikely. Maro koa ireo Malagasy izay nanaraka an'i Andriamatoa Alix Herivelona ka nanaiky ny ahazo fampiofanana niaraka taminy ka nomeny alalana ny hitondra ny anaran'ny Ankanifitahiana tany amin'ny faritra nisy azy avy ka any ka nahatonga ny fikambanana Ankanifitahiana lasa nielipatrana vetivety nanerana an'i Madagascar...

    Na dia nandeha aza ny fampandehanana raharaha dia nisombanindrahona ny tanataran'ny ankanifitahiana nandritra ny Krizy politika teto Madagasikara satria araka ny maha fikambanana manao asa sosialy azy dia miankina tanteraka amin'ireo fanampiana malalatanana no tena hany hiveloman'ny fikambanana. Be ny ezaka efa natao mba entina hamondrena ny centre kanefa dia noho ny olana ara-bola dia maro ireo centre nikantona. Mbola maro koa anefa ireo centre eto antananarivo no mbola mandalo olana ara-bola tanteraka ka sahirana amin'ny fampandehanana ny raharaha. Ny Ankanifitahiana Foibe ohatraq dia anisany manana olana ara-bola io, tsara ny manamarika fa na samy ao anatin'ny fikambanana Ankanifitahiana aza ireo centre Tsirairay dia mahaleotena ny fitantanany ny centre hiandreketany...

    Ankoatra ny olana ara-bola izay lalovan'ny centre dia Mana olana koa izy ankehitriny moba ny toeraqna satria ilay toerana misy ny centre dia tsy azy fa tanin'olona, teo aloha dia  tanimpokotany io tany io, Ny taona 2012 dia nahazo taratasy fandroahana hiala ny tany ny Fikambanana Ankanifitahiana Foibe ka hanajanona ny fampianarana sy fanabezana ary fanohanana ara-tsakafo ankizy izay miisa 305, niezaka nitady ny marimaritra iraisana anefa dia tafajanona teo ihany ny centre Ankanifitahiana. Nandritra ny tsy nahateto antanindrazana ny filoha Panorana ny ankanifitahiana anefa dia Nilaza ho tompon'ny tany indray ny fiangonana izay miaramipetsaka amin'ny Ankanifitahiana eo amin'ny tany, ka noravany ny salle de classe 2 ny centre Ankanifitahiana ny fiandohany ny volana Octobre 2013, tsy nisy fanazavana tsy nisy fangatahana sy tsy nisy filazana fa hoe manelingelina hono ilay efatra roa ireo izay tsara ny manamarika fa efa 9taona no niorenanan'io trano io tamin'ilay toerana. Koa satria tsy tompony moa ny Ankany dia tsy afaka hanao inona fa dia voatery nandefitra. Ny faraparan'ny volana Avril teo dia nahazo taratasy tamin'ny foibe ilay fiangonana indray ny Ankany fa mila miala eo amin'ny toerana rehefa vita ny fampianarana 2013-2014 izany hoe ny faran'ny volana Jona 2014. Nandritra ny dian'ny filoha Mpanorona ny Ankanifitahiana teto :adascar anefa dia tsy sahy nanao izany ilay fiangonana Milaza ho tompon'ny tany, nanatsara resaka aza no nataony, fa vao dify an'i Madagascar Andriamatoa Alix Herivelona dia indrisy fa fandroahana no hany nataony. Niezaka nifampiraharaha tamin'ny alalan'ny mailaka Andriamatoa Alix mba hamahana ny olana satria ankizy mahery ny 300 indray izany hiverina andalambe noho ny fanapahakevitra ilay fiangonana sy ny foibeny, nahazo fanekena fa afaka mijanona eo amin'ny toerana ary ny centre mandrampahatapitry ny Juillet 2015. 

    Etsy Ankorondrano Antsinanana lot IVO 80Bis moa no misy  ny centre Foibe... Ankehitriny dia manana mpanabe miisa 21 io centre foibe io ary zaza mahery ny 300 no beazany 

                    Manana heritaona izany ny Ankany hiomanany hiala eo amin'io tany io ary raha tsy voavaha ny olana dia hiarantsika mahalala fa simba tanteraka ny hoavin'ireto ankizy maherin'ny 300 ireo, ilay fiangonana rahateo moa milaza mila ny taniny, hatrami'izao aloha dia tsy mbola naneho taratasy maha azy marina ny tany ny fiangonana fa dia mbola fiteny marary no hazon'ireo mpanabe ny centre avy amin'ny Pasitera na ny mambra ilay fiangonana ary hita moa hoe pasitera ilay olona ka na dia diso aza izy dia hiady amin'Andriamanitra ve hoy ila fiteny Malagasy izay...

                    Isan-taona dia Mandray mpianatra avy amin’ny sekoly  mianatra manokana  ny service Social hanao stage ny centre, ka manao Assistant social no andraikitra tanan’ireo ireo. Misy ihany koa ireo olona manolotena hiasa  an-tsitrapo mba hampandro ny` centre.

     

    Inona no tena ataon’n y centre ?

    Sady manohana ara-tsakafo no mampianatra no ataon’ny  Centre Ankanifitahiana. Ankoatr’izay moa dia manampy ara-pitaovana ihany koa toy ny hoe « cahie, stylo, …. »mba ahafahan’ireo ankizy ireo mianatra.

    Aiza no misy ny centre Ankanifitahiana ?

    Ny centre Ankanifitahiana dia ao Ankorondrano Antsinanana Lot Ivo 80bis no misy azy ary mbola manofa tany izy hatramin’izao.

    Iza ireo zaza voaray mianatra sy beazina ao ao amin’ny centre?

    Ireo zaza kamboty tsy misy mpiahy

     

    Ireo zaza mpirenireny

     

    Ireo zaza tena sahirana ka tsy afaka miditra An-tsekoly, Ireo tsy  manana copie

     

    Ireo zaza izay vonona ny hianatra

     

    Ahoana ny fomba ahitana ireo ankizy ireo?

     

    Tamin’ny voalohany dia izahay mpanabe no mandeha mitady ankizy mpirenireny eny tontolo eny, ary hetaninay izy ireo mba hianatra ka  resehanay azy ny tombotsoa lehibe azony rehefa mianatra izy, ambaranay aminy ny fahasamihafan’ny ankizy mianatra sy  ny tsy mianatra, rehefa manaiky moa ilay zaza dia atoronay azy ny misy ny centre Ankinifitahiana, ao anatin’izay indrindra no hiarahanay mijery izay mety ho fianakavian’ilay zaza na ireo zay mety nitaiza azy mba haharitra ilay tetik’asa fanampiana ilay zaza (fiaraha-miasa miaraka amin’ny assistant social no tena betsaka eto). Fotoana fohy taty aoriana rehefa hitan’ireo ankizy ny tombotsoa azony dia izy ireo indray no nanetana ireo namany. Ankehitsiny moa efa maro ireo olona na ray aman-dreny mahatsapa ilay tombotsoa azon’ireo zanany indrindra indrindra eo lafim-pianarana dia tonga ezaka sy fahafinaretana ho azy ireo indray aza ny mahita ireo zaza mianatra aty an-tsekoly.  

    Misy firy ireo ankizy beazina? Ary manomboka amin’ny firy taona?

               Ny  taona 2004-2005 dia nisy 76 ireo Ankizy nianatra ary misy 300 ao amin'ny Ankanifitahiana Foibe Ankorondrano izao

            Manomboka amin’ny zaza  2 taona ka hatramin’ny 19 taona ireo beazina ao amin’ny centre.

    Manana taratasy ara-panjakana ve ireo Ankizy ireo?

    Ny ankamaroan’ireo zaza ireo dia tsy manana ka izany no mahatonga ny centre Ankanifitahiana miara-miasa amin’ireo mpitaiza ilay zaza mba hahavitan’ny "bulletin de naissance”  na ny “Copie”n’ilay zaza, efa maro tamin’ireo ankehitriny no efa manana vokatry ny fiaraha-miasa. Tsy ny zaza ihany anefa no hanamboarana copie fa ny ray aman-dreniny koa izay tsy manana dia manampy azy ireo ny centre Ankanifitahiana. Andraikitry ny Assistant social moa no manao ireo fikarakarana ireo.

     

    Manahoana ny fanaraha-maso ny fianaran’ireo zaza ireo?

    Na dia eo aza ny fanabeazana avy amin’ireo mpanabe dia Mandray andraikitra koa ny manodidina ilay zaza na ireo fianakaviana na ireo nitaiza azy na ireo ray amn-drenina raha mbola velona  zany hoe rehefa vita ny fifampiresahana amin’ilay ray aman-dreny na mpiatoka na Fianakavian’ilay zaza na reny na rain’ilay zaza dia  manetana azy ireo izahay mba hiara-hiasa aminay mba hanaramaso ny fianaran’ireo zaza ireo, Ankoatr’ikzay anefa dia manao fivoriana indray mandeha isan-telovolana izahay hampivoriana sy hampianarana ireo mpitaiza na mpanabe na ray aman-drenin’ilay zaza mba ho fanetanana azy ireo handray andraikitra amin’ny fanomanana ny ho avin’ireo zaza ireo.

     Ankoatr’izay moa dia ireo assistant social ao amin’ny centre Ankanifitahiana no manao fanadihadiana raha toa ka tapaka lava ilay zaza, amin’ny fiche de presence moa no ahafahan’ireo manao izany, zany ny mpampianatra no manome ny azy ireo ireo Lisitry ny ankizy tapaka lava, aorian’izay dia mande manao visite any an-tokatranon’ilay zaza izy ireo manadihady ny antony mahatapaka lava ilay zaza.

    Mandoha sara-pianarana ve ireo zaza ireo?

    Hoan’ireo zaza izay hita fa tena sahirana na kamboty ka tsy afaka ny handoa sara-pianarana mihitsy dia tsy mandoa sara-pianarana na ariary aza (0ariary) fa ho an’ireo Izay manana ray aman-dreny kosa dia mandoa manomboka amin’ny 1000 ariary arakaraka ny fahefam-bidiny.  Ny tena tanjona dia ny mba handraisan’ilay ray aman-dreny andraikitra fa tsy hiankin-doha antsany na dia eo aza ny fandraisan’ny centre antanana ny fanampiana ilay zaza.

    Inona no loharanom-bolan’ny centre Ankanifitahiana?

    ?   Voalohany dia  ny fandraisan’anjaran’ireo ray aman-dreny na ny fianakavian’ilay zaza raha misy na olona mitaiza sy manabe azy (Ecolage)

    ?   Fivarotana :

    Ø    CD audio Ankanifitahiana misy hira 10 no anatiny “ ireo zaza ireo no mihira ao anatin’ny CD”  izay mitetina 20 000 ariary ny iray

    Ø    VCD Ankanifitahiana Noely 2006, Noely 2007 izay` mitetina 10 000 ariary ny iray.

    ?   Fanohanan’ireo olona malala-tanana ara-bola amin’ny alalan’ny karatra Fanohanana na “carte de parainnage” manomboka amin’ny 10 000 ariary isam-bolana ka hatsamin’izay zakan’ilay mpanohana.

    ?   Fampianarana Cours Informatique sy teny Frantsay ao amin’ny centre.

    ?   Fanohanan'ireo vahiny sy orina'asa Malagasy eto antoerana ary fikambanana maro samy hafa

    ?   Fampianarana teny Malagasy hoan’ireo vahiny na olona liana amin’ny teny Malagasy (cours Malgache)

    Ahoana no fanarahamaso ny fandehanam-bola ao amin’ny centre Ankanifitahiana?

    Isaky ny volana Decqmbra dia mandefa ny famitinana na « rapport de projet » ny centre Ankanifitahiana, izany hoe alefa par mail ny fandehanan’ny tetik’asa sy ireo mpikambana mpanohana vaovao ary ny  fandeham-bolan’ny centre, ireo vola miditra sy mivoaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny centre. Raha tsy manana adiresy mail kosa ilay olona dia manatona mivatana any amin’ny centre izy.

    Inona no tanjon’ny centre amin’ny taom-pianarana 2014-2015?

          ?    Anisan'ny Tanjona voalohany ny ahita tany sy vola hividianana izany ary hanorona ny trano tena an;ny centre.

    ?    Manana Tanjony ny hanatsara ny toeram-pampianarana mba hanara-penitra ny toerana hampianarana ireo zaza ireo ary mba hisy ny toerana fatoriana “Dortoire” ho an’ireo zaza tsy mana-kialofana manokana maniry ny hianatra ao amin’ny Ankanifitahiana.

    ?    Hitombo ny isan’ireo mpiara-miasa manohana an-tsitrapo ny fanampiana ara-tsakafo sy fitaovana ary ara-moraly mba ho tomombana ny tetik’asa. 

    ?    Hitombo ny isan’ireo Panohana “ Parrain na Marraine” ny tetik’asa.

    ?    Hitombo ny isan’ny CD sy VCD ho lafo.

    Miara-miasa amina fikambanana hafa ve ny Centre Ankanifitahiana?

    Ny centre Ankanifitahiana dia Mandray ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana rehetra na miakina na tsy miakina vonona hiara-hiasa aminy. Anisan’ireo efa naira-niasa taminay ny Soroptimist, Friends of Madagascar, InerWhile, Wensday group, Interclub International, Leo-Club, IS-infos, Sourire d’enfant, studio diffusion,ny Fokontany Ankorondrano….

                    Inona indray kosa ny Point fort ny centre Ankanifitahiana?

    ?  Manana fahazotoana ny hianatra ireo Ankizy mianatra ao amin’ny Ankanifitahiana(90%).

    ?  Noho olana ara-bola misy ao amin’ny Ankanifitahiana dia misy ireo ray aman-dreny efa mahatsapa tena amin’ny fandraisana andraikitra ny zanany toy ny fandefasana vary tapaky ny kapoaka (130g de riz)rehefa nazavaina ny olana misy tao anatin’ny fivoriana

    ?  Mazoto ireo Parrain na marrainne manohana noho ny fahitany ny vokatra ary indrindra noho fahitany ilay zaza tohanany mazoto mianatra.

    Ahoana no atao raha tehiditra ho mpanohana ny Ankanifitahiana?

    Manatona mivatana ny tompon’andraikitra ao amin’ny centre Ankanifitahiana na manoratra amin’n y ireto adiresy manaraka ireto :

    ?    ankanifitahiana@yahoo.fr na Lot IVO 80 bis Ankorondrano Est na Lot IVO 29 Ankorondrano Est

    ?    Na miantso mivatana ny laharana : +261 33 37 667 19  / +261 33 09 224 12

    http://ankanifitahiana.hautetfort.com

    www.centre.mg 

    Misy ve fanampiana izay lavin’ny Ankanifitahiana?

    Rehefa mitovy tarigetra( avoir des point communs) na ny tanjona amin’ny Ankanifitahiana ilay mpanome dia raisina ny fanomezany, tsy voatery vola na zavatra fa mety ho torohevitra koa izany, zany hoe tanjona iary no hiraisana dia ny hanabe sy hanampy ireo zaza ireo ho afaka amin’ny fahatrana indrinra eo amin’ny ara-tsaina.

    Inona ny Point faible ny Centre Anifitahiana ?

    Anisan’ny olana iray Lehibe ho an’ny centre Ankanifitahiana ny tsy mbola fananana mpanohana fixe na Bailleur de fond izay manohana mivatana ny tetik’asa. Saika isam-bolana dia tojo olona ny Centre satria tsy ampy ny vola miditra mba ahafahana manohana ny tetik’asa. 

                 Raha mahaliana anao ny hanatevindaharana ny Ankanifitahiana dia misokatra ny varavarana ary ianao sisa no handrasana mba ahafahantsika miaramadroso ireo ankizy ireo

    Azo atao ihany koa ny manohana ny ankany avy hatrany en ligne na amin'ny banky ny centre.

    En Ligne: 

    •  Compte bancaire :
    BOA MADAGASCAR: au nom du CENTRE AKANIFITAHIANA
    N:18888460004
    •  RIB :
    Code banque : 00009
    Code guichet : 05605
    Numéro de compte : 18888460004

    Clé RIB : 59

     

    Compte en France: 

    Au nom de herivelona Alix ( Fondateur du centre)

    IBAN: FR76 30004 01309 00000568315 37 BIC: BNPA FR PP MAS
    Code Banque: 30004 
    Code Angence : 01309
    Numéro de compte: 00000568315
    Clé RIB: 37 
    Domiciliation :BURES SUR YVETTE (01309)